Psalms 68

Fankalazana an’ Andriamanitra noho ny fitondrany ny Isiraely sy ny fandreseny ny fahavalony

Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Tonon-kira.

1

2Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny fahavalony; ary aoka izay mankahala Azy handositra ny tavany. 3Tahaka ny fanely setroka no fanelinao azy; tahaka ny fiempon’ ny savoka eo anoloan’ ny afo no aoka hahalevonan’ ny ratsy fanahy eo anatrehan’ Andriamanitra. 4Fa ny marina mifaly; eny, ravoravo eo anatrehan’ Andriamanitra izy ka faly tokoa. 5Mihirà ho an’ Andriamanitra, mankalazà ny anarany; manamboara lalana ho an’ izay mitaingina mamaky ny efitra Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany. 6Rain’ ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra, ao amin’ ny fonenany masìna. 7Andriamanitra mampitoetra an-trano izay irery tena; mamoaka ny mpifatotra ho amin’ ny fanambinana Izy; fa ny maditra hitoetra amin’ ny tany karankaina. 8Andriamanitra ô, raha nandeha teo alohan’ ny olonao Hianao ka namaky ny efitra, [Sela.] 9Dia nihorohoro ny tany, ary nitaitaika ny lanitra, tamin’ ny fanatrehan’ Andriamanitra, na iry Sinay iry aza tamin’ ny fanatrehan’ Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely. 10Ranonoram-pitahiana no nalatsakao tamin’ ny lovanao, Andriamanitra ô; ary raha kotra izy, dia novelombelominao. 11Ny olonao
Heb bibinao.
tamàn-toerana teo; mamboatra ho an’ ny ory araka ny fahasoavanao Hianao, Andriamanitra ô.
12Ny Tompo manome ny teny; ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe. 13Ireo mpanjaka be miaramila dia vaky mandositra; ary ny vehivavy izay mitoetra ao an-trano no mizara ny babo. 14Raha mandry eo amin’ ny vala ianareo, dia ho tahaka ny ela-boromailala miravaka volafotsy, ary ny volony miravaka volamena tsara 15Raha aelin’ ny Tsitoha eo ny mpanjaka maro, dia latsaka ny oram-panala ao Zalmona. 16Tendrombohitr’ Andriamanitra ny tendrombohitr’ i Basana. Tendrombohitra maro tampona ny tendrombohitr’ i Basana. 17Ry tendrombohitra maro tampona, nahoana ianareo no mihendry ny tendrombohitra izay tian’ Andriamanitra hitoerany? eny, hitoetra ao mandrakizay Jehovah. 18Ny kalesin’ Andriamanitra dia roa alina, eny, arivo arivo; ny Tompo no eo aminy; Sinay dia eo amin’ ny itoerana masìna
Na: amin’ ny fahamasinana.
.
19Efa niakatra ho any amin’ ny avo Hianao ka mitondra babo; efa nandray fanomezana teo amin’ ny olombelona Hianao ― eny, teo amin’ ny maditra aza,― mba hitoeran’ i Jehovah Andriamanitra any
Na: ao aminy; na: mba hitoeranao any, ry Jehovah Andriamanitra; na: Efa nandray olona ho fanomezana Hianao Eny, na dia ny maditra aza mba hitoeranay ao amin’ i Jehovah Andriamanitra.
.
20Isaorana anie ny Tompo Izay mitondra ny entan-tsika isan’ andro isan’ andro
Na: Isaorana isan’ andro isan’ andro anie ny Tompo; Raha misy mahavesatra antsika, dia Andriamanitra no famonjena antsika; na: Isaorana anie ny Tompo, Izay mampitondra entana antsika isan’ andro isan’ andro.
, eny, Andriamanitra Izay famonjena antsika. [Sela.]
21Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika; ary an’ i Jehovah Tompo ny fanafahana amin’ ny fahafatesana. 22Fa Andriamanitra mamely mafy ny lohan’ ny fahavalony, dia ny tampon-doha lava volo an’ izay mandroso amin’ ny fahadisoany. 23Lazain’ ny Tompo hoe: hampody ny any Basana Aho; hampody ny amin’ ny ranomasina lalina Aho, 24Mba hampihosenanao rà ny tongotrao, ary ho anjaran’ ny lelan’ ny amboanao ny fahavalo. 25Efa hita ny fandehananao, Andriamanitra ô, dia ny fandehanan’ Andriamanitro, Mpanjakako, ao amin’ ny fitoerana masìna
Na: amin’ ny fahamasinana.
.
26Mialoha ny mpihira, ary manaraka ny mpitendry valiha, eo afovoan’ ny zatovovavy mively ampongatapaka. 27Misaora an’ Andriamanitra eo amin’ ny fiangonana, eny, misaora ny Tompo, ianareo ary amin’ ny loharanon’ ny Isiraely. 28Indry Benjamina kely, mpanapaka azy, ny antokon’ ny mpanapaka ny Joda, ny mpanapaka ny Zebolona sy ny mpanapaka ny Naftaly. 29Andriamanitrao no nampahery anao; Ry Andriamanitra Izay miasa ho anay ô, asehoy ny herinao. 30Noho
Na: Avy amin’
ny tempolinao eo an-tampon’ i Jerosalema, no hitondran’ ny mpanjaka maro fanatitra ho Anao.
31Teneno mafy ny biby eny anaty zozoro sy ny fivorian’ ny ombilahy mbamin’ ireo vahoaka zanak’ omby, dia izay miankohoka manatitra anja-bolafotsy aelezo ny olona tia ady 32Ho avy ny tremalahin’ i Egypta; Etiopia halaky hananty tanana amin’ Andriamanitra. 33Ry fanjakana ambonin’ ny tany, mihirà ho an’ Andriamanitra; mankalazà ny Tompo, [Sela.] 34Ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra izay hatry ny fahagola; Indro, mamoaka ny feony Izy, dia feo mahery. 35Ekeo ho an’ Andriamanitra ny hery; ambonin’ ny Isiraely ny voninahiny, ary ny heriny any amin’ ny lanitra. 36Mahatahotra Hianao, Andriamanitra ô, ao amin’ ny fitoeranao masìna; Andriamanitry ny Isiraely no manome hery sy tanjaka ho an’ ny olona. Isaorana anie Andriamanitra.
Copyright information for Mg1865